Filoha Rajoelina Andry: “Ny vahoaka no nanome fe-potoam-piasana dimy taona”

Niresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny France 24 ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Anisan’ny nanehoany ny heviny ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana.

“Ny demokrasia dia ny ampahany betsaka tamin’ny vahoaka no nifidy filohan’ny Repoblika iray”. Io ny valin-tenin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fanontanian’ny mpanao gazetin’ny France 24, omaly, ny amin’ny fangata­han’ireo mpanao fihetsiketsehana ny fametraham-pialany manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Eo amin’ny fitondrana izy mba hanatratra ny fanonerana ireo fahatarana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsara ho fantatra fa ny fi­tambaran’ny asa tsy nataon’ ireo mpitondra nifandimby ny olana iainana amin’izao fotoana izao. Eo kosa izy amin’ny fanatanterahana tetikasa, ary mba hanafaingana ny fampandrosoana an’i Mada­gasi­kara. Mihaino sy mahazo ny fitakiana sy ny fitarainan’ny vahoaka ankapobeny mitambatra izy, fa tsy ny an’ny Gen Z ihany. Mangataka ny fanarenana ny firenena izy ireo, indrindra ny fanaperana ny fe-potoam-piasany.
12 ireo namoy ny ainy nandritra ny fihetsiketsehana nanomboka tamin’ny 25 septambra, raha ny tatitra ofisialy voarainy. Araka izany, nangataka tatitra sy fanazavana avy amin’ny Firenena mikambana (ONU) ny amin’ny antontanisa navoakan’izy ireo izy. Tsy mbola voaporofo amin’izao ny tarehimarika navoakan’ny ONU. Ny fampanjakana ny fandriampahalemana ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana eto amin’ny firenena. Adidin’ny mpitondra ny mametraka an’izay fandriampahalemana maharitra izay. Tsy manome fahazoan-dalana an’ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana noho ny fanararaotana amin’ny fandrobana sy famotehana. Mi­sokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra amin’ny fifampiresahana, anefa, ny fitondram-panjakana.

R. Nd.

Partager sur: