FANTINA sy FINTINA

Nitsangana ny raiamandreny ao an-tanànan’ Antsiranana. Nanambara izany izy ireo, omaly, ary naneho fahavononana hiara-dalana amin’ny fitakiana ataon’ny mpianatra sy ny tanora Gen Z. «Tsy ho faty ny tolona raha mbola misy ny tia tanindrazana», hoy izy ireo. Nanentana ny rehetra koa izy ireo hanatevin-daharana ny tolona.

Mitaky ny hamotsorana ireo voasambotra noho ny fitakiana ny vovonan’ny tanora ao Sofia. Takin’izy ireo koa ny hamotsorana ireo zanaky ny faritra Sofia nogadraina. «Melohinay ny herisetra sy fisamborana ary ny fanakanana ny fanehoan-kevitra… Tokony hosaziana koa ireo nanao herisetra sy namono olona», hoy izy ireo.

Hidina an-dalambe ho eo amin’ny Kianjan’ny 29 marsa, ao Antsohihy, ireo mpikambana eo anivon’ny Komity mpanohana ny tolona any an-toerana. Tahaka izany koa, hanamafy ny hetsika ny eo anivon’ ny vovonan’ny tanora ao Antsohihy. «Tsy mankasitraka ny herisetra sy ny fisamborana ireo maneho hevitra izahay», hoy izy ireo.

Mitsipaka ny nanendrena ny praiminisitra ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena an-jatony, nanao fanambarana, omaly. Nanterin’izy ireo fa tsy misy fanendrena azo ekena raha tsy misy ny fampiatoana ny herisetra, ny fahalalahana hanao hetsika an-kalamanjana. «Arahana aloha ireo vao mifampiresaka isika», hoy izy ireo.

Partager sur: