Antanetibe Mahazaza: Hanafana ny « Fetiben’ny atody » ry Njakatiana sy Mahaleo

Fiompiana, fambolena, hainahandro, fialamboly, zavakanto, kolontsaina… Tafiditra anatin’ny hetsika « Fetiben’ny Atody » avokoa ireo. Hisokatra anio izany, eny Antanetibe Mahazaza.

Ny atody sy ny tontolony. Manodidina izany ny « Festival des œufs » na ny « Fetiben’ny atody », izay hiditra amin’ny andiany fahefatra, eny Antanetibe Mahazaza. Andro iraisam-pirenena ho an’ny atody rahateo ny 10 oktobra, ka nampifanandrifiana amin’izay ny fetibe. Hisokatra manomboka anio ny hetsika, izay efa voaomana fotoana ela. Maro ny fandaharam-potoana hiseho mandritra ireo telo andro ireo, any an-tampon-tanàna Antanetibe. Goavana sy andrasan’ny mpo­nina sy ny mpitsidika hatrany ny fampisehoana. Hiverina indray i Njakatiana, anio, raha toa ka tamin’ny andiany voalohany izy no nampifaly tany an-toerana. Tsy tongatonga ho azy ny safidy, fa fangatahana avy amin’ireo mponina sady mpankafy no mpandray anjara mavitrika amin’ny fetibe koa. Ny alahady izao kosa no hiaka-tsehatra ny Mahaleo sy ny taranaka, hitondra ny hira vokatry ny tany. Samy fampisehoana feno avokoa ireo, ary tsy misy latsaky ny ora roa sy sasany izany.
Na dia goavana aza, am­pahany ihany amin’ny « Feti­ben’ny atody » ny fampisehoana. Hasongadina ihany koa ny maha seha-pihariana mamelona fianakaviana maro ny atody, mandritra ireo fotoana ireo. Mpamatsy ny 40% ny fanjifana atody manerana ny Nosy mantsy Antanetibe Mahazaza. Efa tsara ny vokatra, saingy mbola mila tosika satria tsy voaaro tanteraka ny fiharian’ireo tantsaha mpiompy. Misy, araka izany, ny fifanakalozana eo amin’ireo samy mpiompy, na eto an-toerana na any ivelany. Eo koa ny fanehoana ny hainahandro isan-karazany, izay mifototra amin’ny atody. Ankoatra izay, hisy koa fifaninanana ho an’ny ankizy sy tanora, ho fanentanana azy ireo hisehatra amin’ny fiompiana, fambolena ary ny tontolo ambanivohitra. Endrika maro no hisehoan’ny fifaninanana, toy ny filatroana, fahalalana ankapobeny, fandraisam-pitenenana, sns. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo ny fifanintsanana ary anio kosa ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana. Rahampitso sabotsy ny famaranana amin’ny fifaninanana.

Zo ny Aina

Partager sur: