Tsy maty manota

 

Fomba fiteny iray nireharehan’izay mpitondra fanjakana nifanesisesy teto ny hoe “tsy maty manota”. Nizahozaho araka izay tratrany ny manampahefana. Nanao tsindrio fa lavo izay manana herijika afaka nanao izany. Tena nosemporina araka izay zakan’ny ain’ireo mpanao tsindrio fa lavo ny Malagasy tsivakivolo. Nanampatra ny mahabiby fanahy azy ny taranak’i Eva tandapa.
Ny olana anefa ho azy ireny, izy ireo ihany no voafitaky ny laingany izay noheverina fa lasa rariny sy hitsiny na ny marina mihitsy. Mbola tohizana ny fomba ratsy mandraka izao. Izy mivadika ho fihoaram-pefy amin’ny tsy fanajanan’ny sasany ny zon’olombelona izao. Misy dia manararaotra toa banga mihomehy alina mihitsy amin’ny asa maizina isan-karazany.
Misy fiafarany anefa ny toe-javamisy tahaka izany. Mitaky fanetren-tena lehibe. Raha mbola mitoky amin’ny vola, voninahitra, fahefana anefa tsy maintsy mandalo tany hay. Tsy misy hery mahaleo ny fanahy maha olombelona izany rahateo. Efa izay no hitrikitrihin’ny razantsika hendry. Nitadiavana ny marimaritra iraisana, nanomezam-bahany ny elanelam-panahy.
Tsy vitan’ny bodongerona sy ny fieboeboana ny zava-misy lalovan’ny firenena malagasy, ankehitriny. Mitaky fihemorana sy fandinihana ny lalan-kizorana amin’ny hoavy. Fotoana hitadiavam-bahaolana miaraka amin’ny ankolafin-kery rehetra. Tsy vaninandron’ny fanavakavahana sy figeazana ny tombontsoa tokony ho an’ny besinimaro intsony izao.
Vahoaka miari-pery sy mahazaka dona Ramalagasy. Tena tsy mikolay na miferotr’aina amin’ny adim-piainana sy ny karazan-tsedra izany. Tsy mba mitaraina tana-miempaka na mitady tany malemy hanorenam-pangady. Na inona na inona midona, na inona na inona mitranga. Mimemomenona fotsiny no ataony.
Tsy mandrakizay anefa izany, mahay mitraotra izy rehefa feno ny kapoakany ary mahay manafay ! Aoka izay ny tsy maty manota.

r.r

Partager sur: