FANTINA sy FINTINA

Efa tafakatra hatrany amin’ny 2 000 latsaka ny isan’ireo dosie maniry hiditra ho mpikambana eo anivon’ny governemanta voaray eny Ambohitsorohitra. Toerana minisitra eo amin’ny 30 ho eo no iadiana amin’izany, miaraka amin’ny sekreteram-panjakana. Tsiahivina fa efa ho 10 andro izao no nanambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny handraisana izany.

Hanatanteraka hetsika koa ny mpomba ny fitondrana, anio, raha ny hita ao amin’ny Facebook an’ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, omaly. Ahi­tana sary sy fanentanana tahaka izao : « Ho antsika Malagasy tsy an-kanavaka. Ndao harovana ny ara-dalàna. Isika mijoro. Arovy ny demokrasia ». Tsy voafaritra ny toerana sy ny fiaingana…

Mitaky ny hamotsorana ireo tanora nanao hetsika fitakiana ny zo maha olona ny eo anivon’ny fivondronan’ny Vato namela-kafatra manankasi-tsara. Ta­kin’izy ireo koa ny hampitsaharana ny herisetra feno habibiana sy famonoana. « Tsy mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy izany ka tsy azo ekena », hoy izy ireo.

Hiainga amin’ny toerana iray, etsy Anta­nimbari­nan­driana, ny hetsika iarahana amin’ny Gen Z sy ireo sendikà, mpanakanto, fikambanana tsy ma­naiky lembenana, ny Transparency International, anio. Nam­baran’ny mpanolotsaina CUA, Clemence Raha­rinirina, fa mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona.

Partager sur: