“Africa Photo Fair 2025” : Hampiranty any Abidjan i Henintsoa Rafalia

Mivelatra hatrany any Afrika sy maneran-tany ny talenta malagasy. Handray anjara amina hetsika lehibe ho an’ny saripika, any Côte d’Ivoire, i Henintsoa Rafalia.

Hanasongadinana ny ta­lentan’ireo mpaka sary afrikanina, hiditra amin’ny andiany fahefatra ny “Africa Photo Fair 2025”, ha­tao any Abidjan, Côte d’Ivoire. Voaasa handray anjara sy hampiranty ny sanganasany, mandritra izany, i Henintsoa Rafalia. Izy no Malagasy mpanakanto mpikirakira sary voalohany handray anjara amin’ity hetsika ity. Sanganasa dimy, notsoingaina tao anatin’ny “Riders à Diego Suarez”, no hoentiny any, ny 12 no­vambra hatramin’ny 7 desambra ho avy izao.
“Namaly ny fiantsoana fandraisana anjara nataon’ny mpikarakara aho, ka nandefa ny sanganasako nifaninana tany. Voafidin-dry zareo hisolo tena an’i Madagasikara aho”, hoy i Henintsoa Rafalia. He­tsika hanasongadinana ny talentan’ny mpaka sary afrikanina no tena namoronan’i Aïdah Muluneh, mpaka sary ivoarianina, ity hetsika ity nanomboka ny taona 2022. Tohin’ny “Addis Foto Fest” izay efa nisy nanomboka ny taona 2010, saingy nivelatra kokoa izany.
Anisan’ireo Malagasy mpa­ka sary manan-talenta i Henintsoa Rafalia. Nanombo­ka tamin’ny fitaterana ny vaovao amin’ny alalan’ny saripika izany. Mpankafy efa ela, avy eo nampiana-tena ary nitankosina niaraka tamin’ireo fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny saripika. Nampiakatra ny lazany ny famatsiana sary ireo gazety malaza toy ny Anadolu Agency, European Press­photo Agency, sns, ankoatra ny eto an-toerana. Efa nandray anjara tamina hetsika maro momba ny saripika, ary nampiranty ireo sanganasany hatrany i Henintsoa Rafalia.

Zo ny Aina

Partager sur: