Hafaliana ho an’ireo mpankafy azy ao La Réunion. Efa nitaintaina izy ireo raha naheno ny fanafoanana ny seho tokony hataon’i Lalatiana eto Madagasikara. Nisento kosa rehefa tonga any an-toerana ity mpanakanto ity, hanatontosa ilay seho, anio, ao amin’ny Amphithéatre Moufia, ao Saint Denis. Miara-dalana amin’i Lalatiana, any an-toerana, i Rija Randrianivosoa, mpitendry gitarany nandritra ny taona maro. “Manokana ity seho ity, satria sambany na izaho na i Rija no hisehatra eto La Réunion. Mahafaly anay ny mahatsapa sahady ny fandraisan’ireo mpankafy, izay Malagasy rahateo ny ankamaroany”, hoy i Lalatiana, nandritra ny “video” nataony, omaly.
Ho vahinin’izy mianadahy mandritra ny seho i Gwendoline Absalon. “Mpanakanto anisan’ny hoavin’ny maloya izy, izay efa niara-niasa tamiko tany France”, hoy i Rija Randrianivosoa. Mialoha ny fampisehoana, hisy ny fandefasana ilay horonantsary “Nosy Hira: Madagascar, Ile chant”.
Miandry amin’ny fotoana manaraka kosa ny mpankafy eto Madagasikara na dia maro aza ny nanantena ilay seho tokony ho amin’ny herinandro.
Zo ny Aina




