“Baobab, source de vie”. Raikitra ny resadresaka iarahana amin’i Cyrille Cornu eny amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy, anio amin’ny 10 ora maraina. Mandalo eto Madagasikara ity mpikaroka nanokana fotoana ho an’ny karazana baobab eto amintsika ity. Mifameno amin’ny fampirantiana saripika izay miseho amin’izao fotoana izao, eny an-toerana, izany. Izay indray vao niverina ny hetsika rehefa niato roa herinandro izay.
Hahemotra ilay fampirantiana “Empreintes”. Tokony ho nosokafana omaly izy ity ary haharitra hatramin’ny 18 oktobra, saingy voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka indray. Izay no nambaran’ny tomponadraikitra ao amin’ny Rhumerie Ivandry, toerana saika handray ireo sanganasan’i Mahefa Rasamuel sy Rami, izay samy mpanakanto mpanao hosodoko manana ny mampiavaka azy.
Nofoanana ny “Madagascarcourt Film Festival”. Saika hotontosaina ny 12 hatramin’ny 17 novambra izao ny andiany faha-10 amin’ity hetsika ho an’ny horonantsary fohy ity. Nanapa-kevitra hanafoana izany ny mpikarakara, satria tsy feno ny fepetra amin’ny fiomanana noho ny savorovoro misy. Tsy mbola misy antoka hahafahana maminavina na ho tapitra na tsia ny fihetsiketsehana amin’izany vanim-potoana izany, ka aleon’izy ireo miditra amin’izao fanapahan-kevitra izao.




