Firosoana amin’ny fanelanelanana : Miantso ny tsy hifampi­han­tsiana ny FFKM

Namoaka fanambarana amin’ny firosoan’ny fa­nelanelanana ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Ma­nahy sakana amin’izany anefa izy raha tsy tanteraka ny fepetra tokony harahina.
«Efa miroso amin’ny fanelanelanana amin’ireo ankolafin-kery samihafa ny FFKM izao. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy misy fitoniana», hoy izy ireo. Nanaovan’ireo filoham-piangonana antso avo ny rehetra hampitsahatra ny teny na fihetsika maneho fihantsiana na avy amin’iza na avy amin’iza ka hitarika ho any amin’ny fifamonoan’ny mpiara-belona. Alaviro ny toe-tsaina mifono valifaty, araka ny fanambarana hatrany. Nanterin’ny FFKM fa manaraka ny toe-draharaha izy ireo ary niezaka nihaino ny ankolafin-kery rehetra. «Miha mahery vaika ny herisetra amin’ny faritra maro koa miangavy anareo mpitandro filaminana mba ho aro riaka amin’ny mety ho fihoaram-pefy. Atsa­haro ny famonoana mpiray tanindrazana sy ny herisetra ary ny fisamborana», hoy ny fiangonana. Notakin’izy ireo koa ny hanajana ny zo maha olona : zazakely, tanora, zo­kiolona, vehivavy na lehilahy na salama na marary.
Niantso ny rehetra, tsy hiraviravy tanana sy mba hitandro hatrany ny fihavanana ny FFKM.
Tsy nohadinoin’ireto ray aman-dreny am-panahy ireto ny nampahery ireo rava fananana sy maratra ary koa nampionona ireo namoy havana amin’izao raharaham-pirenena izao.

Synèse R.

Partager sur: