Fiadidiana ny Repoblika : “Ny fifampiresahana no vahaolana amin’ny krizy”

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fiantsoana fifampiresahana mba hamahana ny olana misy amin’izao fotoana izao.

«Ny fiadidiana ny Re­poblika dia ma­nambara amin’ny vahoaka sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa misy ny fikasana haka an-keriny ny fahefana amin’izao fotoana izao, eto amin’ny tanin’ny Repoblika, ka manitsakitsaka ny lalàmpanorenana sy ny foto-kevitra ara-demokaratika». Io ny fanambarana nampitain’ny eo anivon’ny fitaleavan’ny Serasera ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, oma­ly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, indrindra ny omaly sy ny afakomaly, nisian’ny hetsika teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, Analakely.

Manoloana an’izany toe-javatra izany, ny filohan’ny Repoblika izay mpiaro ny firaisam-pirenena dia manameloka tanteraka ny fikasana hanakorontana ny firenena, ary miantso ny hery velona rehetra mba hiara-kientana hitandro ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena. Mame­rina indray ny filohan’ny Repoblika fa ny fifampiresahana ihany no lalan-tokana sy vahaolana amin’ny krizy lalovan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Iray tsy mivaky ny vahoaka malagasy, ary tokony hanohitra ny fikasana hanakorontana sy hampisara-bazana izay manohintohina ny fandrosoan’i Madagasikara.
Miondrika amim-panajana sy miara-miory amin’ireo izay namoy havana ary mirary fahasalamana ho an’ireo izay naratra ny fiadidiana ny Repoblika.

R. Nd.

Partager sur: