Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona! Niezaka ihany hitazona ny fampisehoana izay tokony hotontosaina ny 26 oktobra izao i Marion sy ry zareo avy ao amin’ny SR Event, saingy noho ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena, tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy ireo. «Somary vahotra ny lela hanambara eto ry zareo fa saingy misy ny fanapahan-kevitra izay mila raisina manoloana ny toe-draharaha izay miha mafana eto amin’ny firenena sy somary mampiroroa saina izay tena atahorana mafy. Niezaka nihaino ny hevitry ny tomponandraikitra maro izaho sy ny mpikarakara fa mba hiarovana ny ain’ny olona dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra ny hanemorana ny fetintsika. Aleo tsy hataontsika anaty fitaintainana fa tena hifety am-pilamaninana isika, ka miandry ny daty vaovao», hoy i Marion, omaly.
Nanamafy izay koa i Sylvano Ratsimandresy, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny SR Event. «Tsy afaka ny hanatontosa ilay fampisehoana izahay raha tsy mirona any amin’ny filaminana ny fiainan’ny Malagasy. Ny tapakila rehetra efa lafo dia manan-kery avokoa amin’ny fotoana izay holazaina manaraka eo», hoy izy. Fatiantoka foana na ho an’ny mpikarakara na ho an’ny mpanakanto, fa indrindra ho an’ny mpankafy ny toa izao, saingy raha ho an’ny tombotsoan’ny firenena, dia milefitra ny rehetra.
Zo ny Aina




