Nifamotoana ireo teratany malagasy monina any Paris, France, ny asabotsy teo. Nanatontosa ny «Takariva soatoavina malagasy» izy ireo. Izay nifandimbiasan’ny fampianarana ny fototry ny kabary malagasy am-panambadiana, narahin’ny fampisehoana nataon’i Justin Vali. Nampahafantarina nandritra izany ilay boky fianarana kabary malagasy, nosoratana
amin’ny teny frantsay, notontosain’i Henriette Razanamalala sy i Dera Ramandraivonona.
Tontosa soa aman-tsara ny sehon’i Lalatiana sy Rija Randrianivosoa tatsy La Réunion. Nafana ny fiarahana satria sambany ho an’ireo mpankafy any an-toerana no nandray ireto mpanakanto ireto. Notetezin’i Lalatiana avokoa ireo hira nanamarika ny 50 taona niakarany an-tsehatra, izay saika natao teto an-tanindrazana ny ivony.
Mirona amin’ny fandraisam-peo aloha ny ankamaroan’ireo mpanakanto mpihira. Voatery nofoanana na nahemotra avokoa ireo fampisehoana, na mbola misy fotoana kely aza ny taom-pampisehoana, mialoha ny fahavaratra. Niroso aloha, araka izany, ny fotoana fandraisam-peo ireo hira vaovao na hira naverina, ho an’ireo mpanakanto. Tombony ho an’ny sasany izany, fa fatiantoka kosa amin’ny ankapobeny.




