Lalan’ny atody, mpamatsy atody manerana ny Nosy. Izay no tena hahafantarana sy mampalaza ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Noho izay indrindra no antony hisian’ny hetsika «Fetiben’ny atody», izay niditra tamin’ny andiany fahefatra, ny faran’ny heriandro lasa teo. Na teo aza ny toe-draharaham-pirenena nafana, nafana toy izany koa ny sehon’ny Mahaleo sy ny taranaka, omaly alahady. Fotoam-bita ary efa namaranana ny «Festival des œufs» izy ity, ka samy nanotrona na ireo tompon-tany, na ireo vahiny, fa indrindra ireo zanaky ny faritra izay mieli-patrana manerana ny Nosy izany.
Tsikaritra fa ireo hiran’ny tarika Mahaleo nanamarika vanim-potoana, indrindra ireo hira mivoy tolona sy ny fitiavan-tanindrazana no nahazo hery kokoa nandritra ny seho. Anisan’ireny ireo hira mivoy ny tontolo ambanivohitra, toa ny «Nahoana kay», sy ireo nanamarika ny niandohan’ny tarika tamin’ny 1972 toa ny «Vololona», «Adin-tsaina», sns. Niavaka kokoa ny «Mimoza», izay niarahana tamin’i Hasina, andriambavilanitra nasain’ny Mahaleo sy ny taranaka. Mbola manamafy ilay fitohizan’ny fanahy Mahaleo rahateo izany.
Tsy fampisehoana fotsiny anefa ny «Fetiben’ny atody» ao Antanetibe Mahazaza. Fotoana hanandratana ny fiompiana sy ny fambolena ary ny tontolo ambanivohitra any an-toerana ihany koa. Satria mitana ny lohany amin’ny famokarana atody ny kaominina, irarian’izy ireo ny hiakaran’izany seha-pihariana izany hisandrahaka kokoa. Nisy ny fifaninanana ho an’ireo ankizy sy tanora, manodidina indrindra ny fahalalana amin’ny fiompiana. Natao mba hitohizan’ilay kolontsaina mifototra amin’ny fandraharahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra izany, araka ireny voizin’ny tarika Mahaleo anatin’ny «hira vokatry ny tany ireny». Efa nanatsidika sahady ny andiany fahadimy, ho tsara sy hivelatra kokoa ny mpikarakara.
Zo ny Aina




