Vita aloha izay ny dingana heverina fa mafimafy ho an’ny mpidina an-dalambe. Tapitra ny an-kitifitifitra sy ny fanenjika ary ny an-kiafinafina. Fotoana izao ho an’izay sahy: sahy hanolo-tena handray andraikitra tsy misy fitiavan-tena, sahy hanova tanteraka, sahy ahafoy fotoana, sns. Raha ny vinavinan’ny tanora Gen Z aloha, andrasana izay olona mahavita ny hifehy tena manoloana ny fakam-panahy isan-karazany.
Hatreto anefa dia efa mivadika ny rasa, tsy hita intsony izay fitakiana tena izy. Efa ny dinaozaoro sy ny mamba noana no lohalaharana amin’ny fisehosehoana. Ohatra ny hoe ny teo ihany no miverina, na ny teo ihany no teo. Nanongana olona sy hamerina olona efa maloto sy simba fanahy ilay Madagasikara. Raha mba miseho ireo tanora sy olom-baovao toa voailika.
Tsy mbola tara ho an’ny tanora maniry ny hitondra ny anjara birikiny. Ekena fa tampoka sy haingana be ny vokatr’ilay fitokonana kanefa tokony ho efa nivonona ihany. Izao lasa soavalin’ny galifantsy sy ny efa maty fanahy, niara-nitantana sy mitovy fomba fanao tanatin’ny taona maro. Tsy hampino hisy mpanao politika efa zatra tanana mitsotra ka hiova anatin’ny indray mipi-maso.
Anisan’ny lesoka amin’ny tanora malagasy mila fanatsarana, ilay fientanam-po lehibe anatin’ny tsy fahavononana. Maimaika ka tampohan-draha matetika. Mila miezaka kely, mba tsy ho fitaovana ahazoan’ny sasany seza fotsiny. Mahay ny tanora malagasy, misy ny manana-talenta miavaka sy misongadina. Tsy mena-mitaha amin’ ny firenen-kafa.
Raha ny zava-misy dia mila tohana aloha ny tanora amin’izay tiany hahatongavana amin’io tolona io. Mila mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary anefa mba hialana amin’ny fomba ratsy nahazatra.
r.r




