Fanambaran’ny iraisam-pirenena: Mitaky fifampiresahana ny Saf-CNGO/Sadc

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Southern African Council of Non-Governmental Organisations « Saf-CNGO-Sadc ». Niantso ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc izy ireo eo anatrehan’ny fahasarotana ara-politika mitombo sy ny tsy fahatokisana amin’ny fitondrana, ary amin’ny maha filohan’ny Sadc an’i Madaga­sikara, amin’izao fotoana izao. Hanomboka haingana ny fampihavanana sy ny fifampiresahana, manoloana ny toe-draharaha eto Madagasikara, araka ny fanambarana nataony, omaly. Niantso koa izy ireo mba ho azo antoka sy tsy hisy sakana ny fidiran’ny fanampiana maha olona, miaraka amin’ny fanamafisana ny fa­nohanana ara-tsaina, sosialy ary toekarena ho an’ireo vondrom-piarahamonina marefo sy niharam-boina.
Miantso ny mpitandro ny filaminana koa ny Saf-CNGO mba haneho fandanjalanjana sy fandeferana, amin’ny fanajana tanteraka ny zon’olombelona, araka ny voalazan’ny African Charter on Human and Peoples’ Rights.
Nampahatsiahy ny tranga niseho nanomboka ny 25 septambra koa izy ireo, naneho ny ahiahiny lalina manoloana ny fitomboan’ny herisetra sy ny fahafatesan’olona hatrany amin’ny 22 sy naharatrana an-jatony. Ny fandrobana sy fandravana fananana hatramin’ ny fampiasana tafahoatra ny herin’ny mpitandro filaminana.
Manamafy hatrany ny fa­nohanany tsy miova ny va­hoaka malagasy ny Saf-CNGO, ary mankasitraka ny anjara toerany amin’ny fandriampahalemana, ny fiarovana ary ny faharetana ara-tsosialy sy ara-toekarena manerana ny aty amin’ny faritry ny Sadc.
Tsiahivina fa ivontoerana lehibe mampifandray sy mandrindra ny fikambanana sivily manerana ny faritra Sadc ny Saf-CNGO.

Synèse R.

Partager sur: