FANTINA sy FINTINA

Havoaka ny fonja ireo gadra politika, araka ny didy noraisin’ny filoha Rajoelina Andry. Eo ny mpandraharaha, Rajaonah Mbola. Ireo mpanao gazety, Lôla Rasoamaharo sy i Fernand Cello. Ny depiote, Sylvestre Mahavitara sy ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, Djavo­jo­zara Jean Luc. Andrianandrianina Voahangy. Nofoa­nana ny sazy tamin’ny Raharaha Apollo 21: Philippe Marc François sy Paul Maillot Rafanoharana.

Nandiso ny filazan’ny Prefen’i La Réunion ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara,  nanambara fa mijabaka amin’ny raharaha eto ireo miaramila fran­tsay. « Manaja tanteraka ny fiandrianam-pirenena mala­gasy i Frantsa », hoy ny fanambarana nataon’ny masoi­voho Frantsay tao amin’ny pejy Facebook, omaly.

Hivory tsy ara-potoana, anio, ny Antenimie­rampirenena, raha tsy misy ny fiovana. Anisan’ny hodinihina amin’izany ny fanovan-drafitra atao eto amin’ ny firenena sy ny fampitsaharana amin’ny asany ny filoham-pirenena. Miainga amin’ny fahefana omen’ny lalàm­panorenana ny solombavambahoaka amin’izany.

Nanatevin-daharana ny mpitolona teny amin’ ny Kianjan’ny 13 mey ny mpiasan’ny TVM/RNM ary nilaza tsy hanaiky ny teritery ataon’ny mpitondra in­tsony. « Hampiditra ny feon’ny mpanohitra haneho hevitra amin’ny haino aman-jerin’ny fanjakana izahay », hoy izy ireo. Tsiahivina fa nalain’ireo mpanao fihetsiketse­hena teny Anosy izy ireo, omaly.

Partager sur: