Be mpankafy ireo boky anatin’ny sokajy mampatahotra. Manana hetsika manokana ho an’izany rahateo ny AFT Andavamamba. Hampiakarana ny fitiavana ny vakiboky ny tanjona amin’ny ankapobeny.
«Thriller ». Hanasokajiana ireo tantara mampatahotra, na amin’ny endriny boky, tantara fihaino na sarimihetsika izany. Nanokana hetsika manokana ho an’ireo boky mampatahotra ny AFT Andavamamba. Nahitam-pahombiazana ny andiany teo aloha, ka hotohizana ny 25 hatramin’ny 31 septambra izao indray ny « Festival des livres thriller ». Fotoana hihaonana ho an’ireo mpankafy ny literatiora mifono misitery, horohoro, tahotra, fitaintainana izany. Misy sady maro mihitsy ireo mpankafy izany karazana fihetseham-po avy amin’ny boky mampatahotra izany, raha tarafina tamin’ny andiany teo aloha.
Sady fampahafantarana ireo mpanoratra no fampahalalana ireo boky mampatahotra no tena tanjona amin’ny hetsika. Misy amin’ireo no sanganasan’ireo mpanoratra malagasy, izay nivoaka amin’ ny teny frantsay sy amin’ny teny malagasy. Amin’ny ankapobeny anefa, tafiditra anatin’ ny fampitiavana ny vakiboky koa izany, satria ireo tantara mifono misitery no mandrisika bebe kokoa ny mpamaly. Manana karazany maro amin’ity sokajina tantara ity ny AFT Andavamamba, misy efa taloha ary misy ireo taty aoriana. Misy ny tantara lava, fohy ary tantara an-tsary amin’ireo.
Hisy fanehoana kanto marolafy manodidina izay tantara mifono misitery izay, mandritra ny hetsika. Hanokatra izany ny « Slam sy ny misitery », izay hataon’ny fikambanana Madagaslam ny 25 oktobra, manomboka amin’ny 2 ora. Mialoha izay anefa, mbola hisy adihevitra arahina resadresaka manodidina ny “Misitery an-tsoratra » ny maraina amin’ny 10 ora. Hitohy amin’ ny fitantarana angano an-tsehatra, hoentin’i Edgard Alla Poe, Orad Madagaslam ary ny Théatre Kala izany, ny 29 oktobra amin’ny 2 ora. Homena sehatra kosa ny tantara an’onjampeo izay holalaovin’ ny tropy Iray Fy’Art, ny 30 oktobra amin’ny 2 ora, hitondran’izy ireo ny « Rovan’ Ambavaloza ». Arahin’ny seho sehatra hataon’ny maintimolalin’ny Lycée Jules Ferry, hilalao ny « Le bal des ombres perdues ». Eny anelanem-potoana eny ny lalao « quizz », izay tsy mivoaka amin’ny lohahevitra hatrany.
Zo ny Aina




