« MeinOrt » – CGM Analakely: Ho sehatra hampitain-davitra

Noho izy ao Analakely, akaiky ny toerana misy ny fi­hetsiketsehana amin’izao fotoana izao, ny CGM/GZ. Toy ireo ivokolo rehetra, voatery nanatsahatra ireo hetsika isan-karazany efa voahomana ihany koa izy ireo. Na izany aza, nahita hevitra ny hamerina indray ny tetikasa «Mein­Ort » ny mpikarakara hetsika ao amin’io ivontoerana io, mba hanohizana ny fanohanana ireo mpanakanto sy ny zavakanto amin’ny ankapobeny. Tetikasa iray hanomezana sehatra ny mpanakanto, saingy ampitain-davitra, izy ity. Toy ny mifindra ao amin’ny pejy Facebook an’ny CGM/ GZ, araka izany, ny sehatra ao Analakely.
Tsotra kely ny takina amin’ ireo mpanakanto: mandefa horonantsary mirakitra ny kantony. Mety avokoa ny toerana hanodinana ny sary, na ao an-trano, na anaty « studio » na eny rehetra eny. Mety avokoa ny seha-kanto rehetra, rehefa mety haseho toa ny eny an-tsehatra. Mazava loatra ny hira sy mozika, ny slam poezia, teatra, dihy, hiragasy, sa­rimihetsika fohy, tantara fi­haino an-tsehatra, live painting, sns. Horonantsary manodidina ny 15 minitra hatramin’ ny 45 minitra no ilaina. Hatao amin’ ny endriny mety alefa anatin’ ny tambajotra facebook izany.
Fanohanana ny mpanakanto sy ny talentany, satria efa tosika lehibe ny fanomezan’ny CGM/GZ sehatra ho azy ireo, na hampitain-davitra aza. Misokatra amin’izao tontolo izao ny pejy facebook,
ka lalana iray hivelaran’ny mpanakanto vao misondrotra izany. Tsy vitan’izay, mbola arahina tohana ara-bola, mety ho tafakatra hatramin’ny 1 500 000 Ar izany, arakaraka ny tolotra hataon’ny mpanakanto handray anjara.

Zo ny Aina

Partager sur: