FMMM : Manameloka ny jadona sy ny herisetra

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, araka ny fanazavan’izy ireo. Manamarina izany ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Midika izany fa marary ny fiarahamonina misy an­tsika, marary ny vahoaka malagasy, marary i Madagasi­kara. Manamafy ny FMMM fa miombon-kevitra amin’ireo tanora manerana ny Nosy tohanan’ny ankolafin’olom-pirenena amin’ ny faritra rehetra eto Madagasikara. Manameloka ny jadona sy ny fisamborana ary ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana sasany koa izy ireo. Miara-ory amin’ireo namoy havana, anisan’izany Marhoum Rivaldo, izay zanaky ny antokom-pinoana Silamo sy ny fianakaviamben’ny miozolomanina.

J.C

Partager sur: