FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra fohy amin’ny « Facebook » ny depiote, Andriamananoro Augustin manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy tokony hosimbaina ny soatoavina. « Tsy mahasoa ny fihantsiana sy ny ramatahora. Hajao ny fahendrena fa efa miroso amin’ny fifampiresahana ny FFKM. Hikatsa­hantsika fitoniana sy vahaolana izany », hoy izy.
Manameloka ny famafazana lainga sy ny fanaparitahana vaovao diso ny fiadidiana ny Re­poblika, araka ny fanambarana, omaly. Namba­ran’izy ireo fa manakorontana ny fiarahamonina sy mampivorovoro saina ny vahoaka ny filazana fa nametra-pialana ny filohan’ny Repoblika. Niantso ny rehetra ny fanambarana mba hanamarina ny vaovao vao havoaka.
Naneho fisaorana ireo rehetra nihaino sy nanohana azy ireo ny Gen Z, omaly. Nambaran’izy ireo fa tonga amin’ny farany ny iraka nanirahana azy ireo. « Fotoana hiverenanay amin’ny fiainana andavanandro izao. Mbola feno fanantenana izahay ary miandry amim-paharetana ny hamahana ny olana », hoy izy ireo.
Nambaran’ny Kly Randrianirina Michael fa hametraka praiminisitry ny marimaritra iraisana, tsy ho ela izy ireo, hitantana ny governemanta ao anatin’ny roa taona. Nambaran’izy ireo fa anisan’ny tena andrasana ny hevitr’ireo tanora amin’izany fametrahana ny ho praiminisitra eo amin’ny fitantanana ny firenena izany.

Partager sur: