Miainga any amin’ny fototra: Tsy tokony ho afa-bela intsony ny raiamandreny

Na mandeha miadana aza. Mizotra mankany amin’ny fiovana isan-karazany ny Malagasy. Ao ireo miantehitra amin’ny herin’ny tenany fa misy ny mila fandraisana andraikitra avy amin’ny raiamandreny.
Amin’ny ankapobeny, la­mina maneran-tany tsy azo ihodivirana no izoran’i Mada­gasikara. Mandray andraikitra ny tanora. Mitondra ny herim-batany sy ny herin-tsainy ary ny herim-panahiny. Maha tanora azy izay, itoeran’ny hery. Eo am-pikarohana traikefa ihany koa anefa, satria, raharaha goavana no miandry.

Manomboka izao. Tsy tokony ho afa-bela intsony ny raiamandreny, satria, antoka iray sady lehibe hiteraka fampandrosoana eny anivon’ny fiarahamonina ny fiarahan’izy ireo amin’ny tanora. Mila atambatra ny hery ananan’ny tanora sy ny traikefa any amin’ireo rehetra heverina fa raiamandreny. Mety ho sarotra amin’ny tanora ny handia lalam-baovao, fa noho ny fananana ny raiamandreny efa nisava lalana, ho betsaka ny zavatra ho vita.
… Fa mba tena raiamandreny tokoa
Hatramin’izao, tsy mbola tafaverina eo amin’ny toerana sy ny hasina ary ny anjara adidy sy andraikitra manandrify azy ny ankamaroan’ny raiamandreny. Tsy vitsy aza ireo manara-davahana fotsiny. Mahita ny lesoka fa tsy miteny. Mahatazana ireo hantsana hivarinan’ny tanora fa minia manakombona ny vavany. Tsy mety sady tsy fanaon’ny Malagasy ny tsy mampita hafatra, saingy, noho ny anton-javatra maro, tsy heno ny raiamandreny raha tsy efa halohalika ny ranombary. Matetika, diso aoriana loatra.
Mila haverina ny anatra. Tsy ampy be dia be io taty aoriana. Tahaka izany koa ny dinidinika sy ny tafatafa. Mila hampahafantarina ny tanora ireo soatoavina ananan’ny Malagasy. Hatombina amin’ny tokony ho toerany ny fahalalana ny fady, tantara, sns. Homena toerana lehibe ny fahalalana ny fomba amam-panao, sns. Ny tena raiamandreny no mahafantatra ireo rehetra iray. Tsy tokony ho afa-bela intsony ry zareo manomboka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: