Avy hatrany dia namaly ny fanalam-baraka natao azy i Fanja, mpihira ao amin’ny tarika True Direction Life na TDL. Misy miezaka ny hanimba ny lazan’ity mpanakanto ity, amin’ny alalan’ny fanapariahana lainga…
Nisesy mihitsy tato ho ato ny fanapariahana horonantsary mamoafady, lazaina fa ana olo-malaza. Lasibatra amin’izany ireo mpanakanto ary tsy mamela mahazo ny fitsaram-bahoaka anatin’ny tambajotran-tserasera. Anisan’ireo voaendrikendrika ho manana horonantsary mandehandeha any i Fanja TDL, ka avy hatrany dia namaly izany, omaly. « Mpanompon’Andriamanitra ny tenako ka ambarako etoana fa lainga avokoa ireny ezahina aparitaka ireny. Be ianareo no nalahelo, mandefa hafatra sy manontany aty amiko. Lainga, lainga, lainga avokoa ireny. Tiako ambara amintsika hoe tena fanalam-baraka lehibe, indrindra ho an’ny fitoriana filazantsara izay ezahintsika atao eto Madagasikara, dia miezaka ihany koa ny devoly manao ny asa ratsiny. Manohina ny foko ny fanohananareo”, hoy ny fanambarana nataon’ity mpanakanto ity. Rehefa nozohina tokoa, tsy nisy sahy nitompo teny fantatra ho manana ilay horonantsary, fa hambanambana sy fandrahonana ary famitahana ireo “tia raha” no betsaka.
Famotehana ny maha olona
Na misy na tsy misy, ary na nanao na tsia, zo fototra ny fananana fiainana manokana ho an’ny olombelona tsirairay. Fanalam-baraka ary azo enjehina amin’ny lalàna velona ny famoahana fiainan’olona manokana anatin’ny tambajotran-tserasera. Tsy vitan’izay fa mbola azo enjehina koa ny fanalam-baraka sy fanimbana fiainana sy ny famotehana ny maha olona. Efa misy ireo sampandraharaha misahana ny heloka ana habaka na “cybercriminalité”, na any amin’ ny polisy na any amin’ny zandary. Misy fiantraikany ratsy amin’ ny fanabeazana ihany koa, satria tsy vaofehy ny fampiasana ny tambajotran-tserasera, ary misy ankizy amin’ ireo.
Zo ny Aina




