Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no izy. Io no nanombohan’ny Havàtsa-Upem ny fampahafantarany ny fisian’ ny « Herinadron’ny Havàtsa-Upem » taona 2025. Ny talata 21 sy ny alarobia 22 oktobra no hanatanterahana izany ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena etsy Anosy. Ny talata, amin’ny 10 ora maraina, ny lanonam-panombohana. Ny alarobia 22 oktobra, « Alarobia miverina ». Hanomboka amin’ny 10 ora maraina. Hahafatantra bebe kokoa momba an-dRanjatohery Harilala ny mpitsidika. Mpanoratra sady mpahay tantara, ankatoky ny faha-50 taona naha poety, mpanoratra. Hisy rahateo ny famoahana boky miisa telo: tantara foronina, sombin-tantara ary amboaran-tononkalo.
Tahaka ny fanao isan-taona, hisy hatrany ny fampirantiana momba ireo mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Ireo mpanoratra taloha sy ireo amperim-panoratana. Hisy koa ny varotra boky sy fanehoana ireo boky vaovao.
Tombony lehibe ho an’ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka sy mpandalina ny fisian’ny serasera mivantana amin’ireo mpanoratra miaina amin’izao vanim-potoana izao.
HaRy Razafidrakoto




