TARATRY ny KANTO

Hiverina amin’izay ny « cabaret ». Noho ny fanafoanana ny « couvre-feu », efa nampahafantatra fandaharam-potoana ireo trano filanonanana sasany. Anisan’izany ny Piment Café etsy Behoririka, izay handray ny tarika Jeneraly, ny zoma 17 oktobra izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo sanganasan’i Gaby, izay tsy mety lefy laza ry Andy sy ny tariny.

Ho tafaraka any La Réunion i Njakatiana, Tianjama ary i Tiana. Fampisehoana efa andrasan’ireo Malagasy monina any amin’ity Nosy rahavavy ity ny hitranga ny sabotsy 18 oktobra ho avy izao. I Tiana efa monina ela any an-toerana, fa ho avy manokana hiray sehatra aminy kosa ny tarika Njakatiana, sy ny Grand Maître Tianjama. Samy nisongadina tany amin’ny faramparan’ny taompolo 90 tany avokoa izy ireo, ary nitazona ny lazany hatramin’izao.

« Te ho show 2 ». Tafaraka any France indray ny tarika Johary sy i Lilie. Hamerina indray ny fiara­hana izy ireo, ny zoma 17 oktobra izao, any amin’ny Region Ile de France. I Lilie efa nanorim-ponenana any an-toerana, raha toa ka mandalo fotsiny ihany ny tarika Johary. Ny azo antoka aloha dia hanomboka any amin’ ireo hiran’ny tarika, handalo ny famerenana ireo hira taloha toa ny sanganasan-dry Barijaona, sns, izany.

Partager sur: