Tsy mbola manana sata araka ny nivoizana azy hatramin’ny omaly ny fitondrana tetezamita. Ho laharam-pahamehan’ny fitondrana tarihin’ny Kly Randrianirina Michael kosa ny lafiny sosialy.
Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Filankevi-pirenena ho an’ny fiarovana ny Tetezamita (CDNT), omaly, teny amin’ny Capsat. Nambarany tamin’ izany ny dingana manaraka, manoloana ny raharaham-pirenena. « Efa tsy any amin’ ny resaka taratasy tsy misy sonia intsony izao ny resaka. Tsy mijery intsony ny fanambaran’ny Prezidansa izahay. Efa notadiavinay ny mpitondra saingy tsy hitanay. Maika aloha izao ny sosialim-bahoaka », hoy izy ireo. Anisan’ny hovahana ny tsy fandriampahalemana, ny vidim-piainana, ny jiro sy rano ary ireo fitakian’ny tanora Gen Z sy ireo sendika teny an-kianja, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nambarany fa anatin’ny fakan-kevitra amin’ny hatao ho praiminisitra sy ny hananganana governemanta, ahitana sivily sy miaramila, izy ireo izao. Nohamafisiny fa olon’ny lalàna izy ireo ka manaraka ny ara-dalàna ny CDNT. « Mizotra moramora amin’ny fanovana isika izao ka tokony ho hita taratra izany », hoy ihany izy.
Momba ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo masoivoho ary konsily any ivelany, nambaran’ny komity miaramila fa tsy mahazo mandray toromarika afa-tsy amin’ireo manampahefana vaovao intsony izy ireo.
Ankoatra izany, nanao fanambarana ny eo anivon’ny Emmo/Nat tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, omaly, fa mbola eo am-pamolavolana ny sata hitantanana ny firenena ny Tafika sy ny Zandary ary ny Polisy. « Aoka tsy handairan’ny vaovao tsy marim-pototra isika ary tsy misy ny fanilihana ny hafa izany. Aoka hihaino ny fahefana mahefa hatrany », hoy izy ireo.
Synèse R.




