Fikaroham-bahaolana: Ho avy, hiditra an-tsehatra ny Sadc

Namoaka fanambarana, omaly, ny filohan’ny Repobli­kan’i Malawi, sady filohan’ny vaomiera misahana ny politika sy ny fiarovana ary ny iaraha-miasa momba ny filaminana, ny Pr Arthur Peter Mutharika.
« Handefa iraka maika ny Sadc Panel of Elders hanao tombana sy hijery ny hanatanterahana ny fifampiresahana manoloana ny toe-draha­raha », hoy izy. Niantso ny mpisehatra rehetra ho tony sy hanana faharetana ny tenany. Ny hanaja ny lalàna sy hanohana ny fitondrana ara-dalàna. Ny hirosoana amin’ny fifampiresahana mba hamahana ny olana ao anaty filaminana. Nanteriny fa vonona hiara-kiasa amin’ny manampahe­fana sy ny mpiara-miombon’ antoka hanamora ny fifampiresahana sy hanohana ny ezaka hiverenan’ny firaisan­kina sy ny ara-drafitra izy ireo.
Notsiahivin’ny fanamba­rana koa ny ahiahin’ity filohan’i Malawi ity ny amin’ny fikasana hanonganam-panjakana. Mano­hintohina ny fandriampahalemana, ny fitoniana, ary ny filaminam-panjakana demokra­tika sy ara-dalàna ao amin’ny firenena izany, araka ny fanam­barany.

Fanajana ny Lalàmpanorenana
Nanteriny fa hanampy amin’ny ezaka hampiverina ny filaminana, hanajana ny Lalàm­panorenana sy ny hiarovana ny fitondrana demokratika ny tenany.
Nanentana ireo tomponandraikitra mpampihatra lalàna mba hanao ny asany amim-pahamatorana, tsy mitanila, ary fanajana lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona koa ny filohan’i Malawi, tamin’ny fanambarany.
Nentaniny koa ny olom-pirenena rehetra mba haneho hevitra am-pilaminana sy amin’ ny fomba ara-dalàna. Nanen­tana ny rehetra koa ny Sadc mba hijoro amin’ny firaisan­kina, demokrasia, fanajana ny lalàna, sy ny fitoniana. « Zava-dehibe ho an’ny fandriampahalemana sy ny fandrosoan’ny faritra misy antsika izany », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: