Amin’izao, andrasana fatratra izay ho Praiminisitry ny Tetezamita. Aorian’ny fianianan’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Mickaël, anio. Ho hita eo…
“Efa ao anatin’ny fandraisana olona tanteraka izahay izao, ao anatin’ny fitadiavana ny olona itoviana hevitra”. Io ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Mickaël, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Capsat, Soanierana, omaly. Anio no hanaovany fianianana eo anatrehan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Ho hita eo raha hivoaka anio na tsia ny Praiminisitra. Tsy maintsy aorian’ny fianianana vao afa-mamoaka izay. Tsy fanonganam-panjakana no nisy. Fanonganam-panjakana misy fidiran’ny miaramila miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ny lapam-panjakana: mitifitra olona… Nisy ny fanapahan-kevitry ny HCC. Ara-dalàna izany. Noho izany, ao anatin’ny dingana manaraka ny lalàna izao. Tsy fitondrana miaramila no hatsangana, fa hiarahana amin’ny sivily. Tsy nisafidy fitondra-miaramila i Madagasikara.
Marina fa misy ny And. 53 ao amin’ny lalàmpanorenana milaza fa 60 andro farafahelany no tokony hanaovana fifidianana, aorian’ny fizahana fototry ny HCC ny fahabangan’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika. “Ahoana moa no hanaovana fifidianana?”, hoy izy ny amin’izany. Mbola mikorontana ny Ceni. Mitabataba ny rehetra fa tsy izy io. Tsy io no hanaovana fifidianana. Mbola tsy misy tokotaniny koa ny lisitry ny mpifidy, mampitabataba ny rehetra. Fifidianana eken’ny rehetra no tokony hatao. Mila hovaina ny lisitry ny mpifidy. Ahoana ny hanaovana ny Ceni? Izay vao afa-miroso amin’ny fifidianana. Mangataka ny FFKM ry zareo mba tsy ho kivy, fa hanohy hatrany ny ezaka efa nataony hampihaonana ny rehetra voakasiky ny raharaha. Any no manapaka izay mbola tsy misy amin’izao hasiana, na ny misy tsy hasiana.
R. Nd.




