Toy ny vara-datsaka ny vaovao… i Marghe no nampahalala voalohany fa nodimandry omaly i L Saphira. « Ianao no mpihiran’ny fianakaviana. Mihira ny hiranao foana aho tany Madagasikara. Raha vao fantatrao hoe te hanohy ny lalana nodiavinao aho, dia ianao no voalohany natoky ahy. Veloma Tatie… Na i Madagasikara aza mankafy ny mozikanao, satria mpanakanto maro no namerina ny hiranao », hoy ny fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra nataon’i Marghe ho an’i L Saphira. Mpihavana akaiky izy ireo, araka ny nambarany, ary samy monina any ivelany.
Raha vao miresaka an’i L Saphira, avy hatrany dia ilay hira « Mampamangy » no mby ao an-tsaina. Nampalaza ity mpanakanto ity tokoa io hira io, tany amin’ny faramparan’ny taom-polo 90 tany. Teo koa ry « Lahatra », « Mody gisa », « Mbola tia anao » sns. Manana fomba fihira azy manokana, miaraka amin’ilay feony miavaka i L Saphira. Tsy vitan’izay fa nahay nametraka ny anarany teo amin’ny tontolon’ny zavakanto izy tamin’izany. Efa mpilatro rahateo ity mpanakanto ity nialoha ny nihirany, ka tsy sarotra ho azy ny niaka-daza. Efa nitondra azy lavitra ivelan’i Madagasikara ihany koa mantsy ny sehatry ny lamaody sy ny filatroana.
Nosafidiana hanao ny tapany voalohany tamin’ny fampisehoan’i Jimmy Cliff teto Madagasikara izy, ka nahatonga azy nanana fironana tamin’ny mozika reggae taty aoriana. Niara-niasa tamina mpanao mozika maro, toa an’i Silo, Rah-Ckiki, sns, izy. Efa elaela kosa no nifindra monina tany ivelany i L Saphira, ary antony iray tsy nahenoana firy azy tamin’ny mozika intsony izay. Mbola nanantena fiverenana ireo mpankafy azy kanjo…
Zo ny Aina




