Fandaminana ny raharaham-pirenena : Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Sadc

Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ireo delegasionin’ny Sadc. Mitarika izany ny Pr Kula Ishmael Theletsane. Ho avy amin’ny fanelanelalana sy hikaroka vahaolana izy ireo.

Nambaran’ity tomponandraikitra misahana ny raharaha politika sy ny fiarovana ary ny filaminana eo anivon’ny Sadc ity tamin’ny mpanao gazety fa hiompana amin’ny fihainoana sy fakan-kevitra amin’ny hery velona eto amin’ny firenena, ankoatra ireo mpifanandrina politika ny anton-dian’izy ireo. «Hohenoi­nay avokoa izy rehetra ireo mba ahitana vahaolana», hoy izy.
Momba ny fitarihana ny eo anivon’ny Sadc amin’ny tsy maha eo ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry filohan’ity vondrona ity, nambarany fa tsy amin’izany aloha izao ny ady hevitra. Hifantoka amin’ ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ny anto-dia ahafahana mijery ny vahaolana, araka ny nambarany. Tsy voafaritra ny fotoana ijanonan’ireto delegasionin’ny Sadc ireto eto Madagasikara. Miankina amin’ny fahavitan’ny fakan-kevitra rehetra ka anisan’ny hihaona amin’izy ireo amin’ izao fahatongavany izao ny filoham-panjakana, Randria­nirina Michael.
Hanamora ny fifampiresahana ny Sadc

Tsiahivina fa anisan’ny fanambarana farany nataon’ ny Sadc ny 15 oktobra teo ny ahiahin’izy ireo manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny antso ho an’ny mpisehatra rehetra mba hifampiresaka ao anaty fitoniana. Eo koa ny ezaka hamerina haingana ny filaminana hamaranana ny krizy. Naneho fahavonona koa ny eo anivon’ ny Sadc hiara-kiasa amin’ny manampahefana nasionaly sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena mba hanamora ny fifampiresahana sy hanohana ny ezaka hiverenan’ny firaisan-kina. Mifandraika amin’izany izao nandefasan’ izy ireo delegasionina eto amintsika izao.

Synèse R.

Partager sur: