FANTINA sy FINTINA

Nanao rodobe, nanotrona ny fametrahana ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, tetsy amin’ny HCC Ambohidahy, ny zoma teo, ireo masoivoho. Anisan’izany ny ambasadaoron’i Etazonia, Vondrona Eoropeanina (UE), Alemana. Ny ambasadaoro Frantsay, sy i Sina ary ny avy any Korea Atsimo.

Mila jerena akaiky sy haingana ireo olana
iainan’ny Malagasy ka nahatonga ny olom-pirenena avy amin’ny sokajy rehetra nijoro, araka ny fanambaran’ny antoko MMM. «Tafiditra ao anatin’izany ny olan’ ny jiro sy ny rano, ny fisian’ny kolikoly avo lenta ma­nimba ny seha-pihariana rehetra ary ny tsy fandriampahalemana», hoy izy ireo.

Anisan’ireo noraisin’ny eo anivon’ny FFKM ny zoma teo ny mpanao politika. Anisan’izany ny avy amin’ny vovonana Firaisankina sy ny avy amin’ny Kolektifa. Tsy nisy nipika ny dinika nefa kosa nambaran’izy ireo fa tafiditra amin’ny fikaroham-bahaolana izany. Tsiahivina fa efa nisy hatrany ny fakan-kevitra mialoha ny fikaonandoham-pirenena tanterahin’ny fiangonana.

Miandrandra fanovan-drafitra 100% ny eo anivon’ny GenZ. Nambaran’izy ireo fa dingana iray anatin’ny tolona iny vita iny. Tanjona ny fanovana tanteraka ny rafi-pitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao. «Anisan’izany ny fametrahana rafitra ahafahana mitantana ny harem-pirenena. Ny fanomezan-danja ny fanabeazana», hoy i Mikolo.

Partager sur: