« Miss Tourism International » 2025: Tafiditra « Top 20 » i Hendry Tsiky

Iray amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena lehibe eo amin’ny tontolon’ny fizahantany sy kolontsaina ny « Miss Tourism International ». Nanana an’i Hendry Tsiky nisolo tena azy i Madagasikara tamin’ity taona 2025 ity.

Ny sabotsy 18 oktobra teo, tany Malezia no na­natontosana ny fa­ma­ranana teo amin’ilay fifa­ni­na­nana iraisam-pirenena « Miss Tourism International » taona 2025. Raha ny valiny avy any an-toerana. Tafiditra tao anatin’ ireo mpifaninana 20 mendrika indrindra (Top 20) i Hendry Tsiky, solontenan’i Madaga­sikara. I Zuzanna Balonek, tovovavy avy any Pologne kosa no nahazo ny satroboninahitry ny « Miss Tourism In­ternational » 2025. Ilay filipianina Eds Enero kosa no nisalotra ny « Miss Tourism Queen of the Year International » 2025/ 2026. Ankoatra ireo so­kajy roa ireo : « Miss Tourism Metropo­litan International » 2025/26 i Doris Bai (Chine), « Miss Tourism Cosmopolitan Inter­national » 2025/26 i Andrea Pineda (Colombie), « Miss Tourism Global » 2025/ 26 i Mitchell Otieno (Kenya). Nahazo ny loka ma­nokana (Special Awards) « Dreamgirl of the Year International » 2025/26 i Sasicha Duangket (Thaïlande) ary ny loka « Miss South East Asia Tourism Am­bassadress » 2025/26 i Tan Sanh Vy Vo (Vietnam).
Nisaotra ny Malagasy re­hetra tamin’ny fanohanana azy i Hendry Tsiky. « Misaotra indrindra amin’ny fanohanana rehetra! Misaotra noho ny fitiavana sy ny fankaherezana nataonareo nandritra iny fifaninanana lehibe iny. Voninahitra lehibe izany nisolontena an’i Madagasikara tamin’ny « Miss Tourism International » izany. Teo ihany koa ny nahatafidi­rana ho anisan’ny « Top 20 » izay reharehantsika rehetra. Tsy ho afaka ao am-poko ny natao rehetra. Ho an’ny tanindrazana, ho anao ihany koa », hoy izy.
Tsiahivina fa, ankoatra ny fahalalana ankapobeny, ani­san’ny notakiana tamin’ny mpifaninana ny fanehoana ny mampisongadina ny firenena niaviany amin’ny alalan’ny fizahantany. Fampaha­fanta­rana ireo toerana manana endrika kanto sy miavaka, mendrika ho tsidihina ao amin’ ilay firenena.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: