Fiovana : Mila mandroso ny kolontsaina

Na samy manana izay hamaritany ny « fandrosoana » aza. Tokony hiraisana kosa ny fiovan-toerana. Misy ny toerana na faritra niaingana. Mandalo vanim-potoana izany ka tokony ho tonga eo amin’ny dingana iray. Tenenina etsy sy eroa, ankehitriny, ny « fiovana ». Mila manaraka izany ihany koa ny tontolon’ny kolontsaina. Tsy ampy intsony ny mitazana sy mijanona hatreo amin’ny tsikera…
Ireo miaina ao anatin’ity tontolo ity mihitsy no mila miova. Mikaroka, manitatra, manala izay heverina ho fahazaran-dratsy… Tsy ho mora anefa ny fanatanterahina izany raha
tsy manaiky ny saina amam-panahy. Ireo « mpanjifa kolon­tsaina », rahateo, efa zatra miaina ao anaty tolotra tsy nahafahana nivelatra.
Maro ny ezaka mbola miandry ny tsirairay. Tsy vitan’ny olon-tokana na fikambanana iray na sehatra mandeha singany ny fanarenana, satria, be loatra ny lesoka. Noho izany, ny fahatsiarovan-tena sy ny feon’ny fieritreretana no mila ampiasaina. Tsy ampy ireo raha tsy eo ny fanajana ny soatoavina. Ito farany izay mety ho samy hafa. Izay tranga izay indray no mitarika any amin’ny « harena ny fahasamihafana ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: