Kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly : Hamaly ny hetahetan’ny mpitia kanto i Salomon

Ny 27 septambra no tokony ho nanatontosana ny seho. Noho ny zava-nisy teto amin’ ny firenena, nahemotra amin’ ny 25 oktobra, amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny Restau­rant Ny Railovy Andohan’Ana­lakely ilay fihaonan’i Salomon amin’ny mpitia zavakanto.
Hihira ireo hira nahafan­tarana azy i Salomon. Hana­koako sy hitondra tamberina sy tsiahy, ny hiran’ireo mpamorona sangany nampihira azy. Anisan’ireny ry Ramaro­son Wilson, Rivo Ramandia­ma­nana, Naly Rakotofiringa, Bessa, Nelson Lalao, Rolland Raelison, sy ny maro hafa …
Hampiavaka ity fampi­sehoana ity ny fampiaraham-peon’i Salomon amin’ireo mpan­kafy na mpitia zavakanto ho avy eny an-toerana, amin’io fotoana io. Nanome toky ity mpanakanto manana traikefa matanjaka ity fa hanana endrika miavaka ity seho ity. Iray amin’izany, tsy voatery ho ireo zoky amin’ny taona ihany no hampiara-peo aminy fa izay rehetra efa nanana izany faniriana izany hatry ny ela sy izay hentanin’ny aingam-panahy mandritra ity fihaonana sy fampisehoana rindrankira an-tsehatra ity.
Raha tsiahiviny, iray amin’ireo nandrafitra ny Kintana Telo niaraka tamin’i Gabhy sy Romule i Salomon. Manana feo avo sy matanjaka fatratra izy. Ankoatra io feo io, anisan’ ny mampiavaka azy ilay fahaiza-mamoaka ny aingam-panahiny hifanaraka tsara amin’ izay namoronana ilay hira. Fihetsika sy fomba fihira tsy maka sarotra, kanefa, manana akony matanjaka be any amin’ izay maheno ny feony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: