Manana ny maha izy azy ny raokandro. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola mahazo vahana loatra ao amin’ny fiarahamonina malagasy izy io. Anisan’ny antony nahatonga izany ny fanabeazana. Mbola maro amin’ireo heverina ho raiamandreny no tsy mbola manaiky ny fampiasana azy ity. Mety noho ny fitaizana azon-dry zareo. Mety ho tontolon’ny finoana nampidirin’ny vahiny ihany koa.
Miverina tsikelikely ny hetsika kolontsaina
sy zavakanto. Ny fiatoana kely nandritra ny vanim-potoana sarotra nolalovan’ny firenena teo no tena nahatsapan’ny tontolon’ny kolontsaina sy zavakanto (mpikarakara hetsika, mpanjifa, mpanakanto, mpampianatra sy mpianatra fomba amam-panao…) fa misy ny tsy fahampiana na ny fahabangana. Ilaina ny fiainana miaraka amina zavakanto sy kolontsaina. Azo atao tsara, anefa, ny manao ezaka lehibe hoenti-mameno ny tsy vita.
Fotoana iainana sy ampiasana ny teny malagasy izao. Vanim-potoana fiovana maneran-tany. Samy manome vahana ny azy ny firenena tsirairay, satria, izay mihitsy ilay takin’ny lamina voajanahary. Noho izany, tsy tokony ho eny an-jorom-bala intsony ny teny malagasy. Izy no tokony ampiasaina amin’ny sehatra rehetra ifampizarana sy ifandraisan’ny samy Malagasy. Iray amin’ireny ny tontolon’ny soratra eo amin’ ny sehatra rehetra. Anisan’izany ny lalàna, ny toromarika rehetra ilaina etsy sy eroa, sns.




