Kianjan’ny 13 mey : Niantso fahamailoana ireo nandaha-teny

« Misy andrimaso tsy maintsy ataontsika, indrindra ny resa-bola miparitaka any ka samia mailo. Tsy mbola vita ny tolona », hoy ny depiote « Del kely ». Nateriny koa fa efa mipetraka ny stratejia eny anivon’ny Antenimierampirenena, manoloana ireny fifidianana ny eo anivon’ny birao maharitra ireny.
Nohamafisin’ny depiote, Razafimanantsoa Hanitra, koa fa hoesorina ireo mamofompofona ny fitondrana teo aloha. Nambarany koa fa tsy maintsy ho azo fankatoavana iraisam-pirenena sy ny famatsiam-bola. Hiainga eny amin’ireo depiote kosa ny fankatoavana, araka ny fanoloran’ny filoham-panjakana ny ho praiminisitra, lehiben’ny governemanta, araka ny nambarany.
Niaiky kosa ny depiote teo aloha, Tody Arnaud, fa mafy Antananarivo ary fakan-tahaka ho an’ny hafa izany. Natsidiny fa tokony ho praiminisitra lavitry ny kolikoly. « Tsy rafitra ihany no hovana fa ilaina koa ny toe-tsaina miova », hoy izy.

Tsy mitady seza ny mpianatra

Ho an’ny Gen Z Vontovorona, nazava ny azy ireo fa tsy mitady seza. « Tsy manaiky hatao tohatra fiakarana kosa anefa izahay. Koa eto, mangataka manokana ny tombontsoan’ny sekolinay izahay », hoy izy ireo. Nambaran’izy ireo fa efa misy ny tetikasa manokana hataon’ny mpianatra ato ho ato. Efa natsidiky ny depiote Afakandro Christian kosa fa ilaina hapetraka ny rafitra federaly na fizakan-tena ny any amin’ny faritra. Nanteriny koa fa ilaina ny fanohanana sy ny fiaraha-mientana amin’izao fitondrana izao. Tsy maintsy ho avy koa ny fanadiovana ny tanàna, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa samy nandaha-teny tao avokoa ny ankamaroan’ireo depiote, ny filohan’antoko politika sy fikambanana…Nialohavan’ny fotoam-pivavahana izany hetsika izany.

Synèse R.

Partager sur: