Filoham-panjakana : « Teneno izahay raha misy tsy mety ny ataonay »

Notanterahina omaly, ny fanompoam-pivavahana fametrahana ny filoha vaovao eo anivon’ny FJKM, Andriamampia­nina Zaka Hary Masy. Anisan’ny niatrika izany ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael. Nambarany tamin’ny lahateniny fa efa nijoro hatrany ho an’ny vahoaka malagasy ny FJKM. Koa, mangataka amin’izy ireo ny tenany mba hijoro hatrany sy hitsangana araka izay asa napetrak’i Jesosy amin’ny tsirairay. Ho mpaminanin’ny firenena, araka ny nambarany. Olon’ny fiangonana izahay ary olon’Andriamanitra ka tenenonareo raimandreny raha sanatria solafaka, araka ny nambarany hatrany. « Teneno izahay ireo hoe : tsy mety ny ataonareo. Manazava izahay raha azo hazavaina. Raha tsy azo hazavaina dia fahadisoana ny dikan’izay ka ovaina ny fomba famindra », hoy izy.

Ho arofanina i Jesoa

Nambarany fa Jesoa, ilay mitarika antsika rehetra no arofanina “Balise” misakana antsika tsy hanaotao foana. Jesoa no tokony atahorantsika, araka ny nambarany.
Notanterahina teny amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao tamin’io fotoana io ny fametrahana ireo birao vaovao mandrafitra ny fitantanana ny anivon’ny foiben’ity fiangonana ity.
Tsiahivina fa zanaky ny fiangonana eo anivon’ny fiangonana loteranina (FLM) ny filoham-panjakana mivady, ary manana andraikitra amin’izany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: