Fitantanana ny Governemanta : Voatendry ho praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama

Notanterahina, omaly teny Iavoloha ny fanendrena ny praiminisitra hitantana ny governemantana anatin’ny Fiadidiana ny fanovana ny Repoblikan’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no voatendry hisahana izany.

Notanterahina omaly hariva, teny amin’ny La­pam-panjakana Iavo­loha, ny fanendrena ny praiminisitra vaovao hitantana ny governemanta, anatin’ny Fa­na­vaozana ny Repoblika an’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no nanankinan’ny filoham-panjakana, ny ko­lo­nely Randrianirina Michael, hisahana izany andraikitra goavana izany.

Araka ny fampahafantarana voaray teny an-toerana, manana ny fahaizana manokana momba ny lafiny toekarena ity praiminisitra vaovao ity. Manam-pahaizana momba ny fitantanana ny toekarena sy ny resaka indostria ny tenany, izay nandranto fianarana tany amin’ny Oniversiten’i Tou­louse, any France. Ma­nana fahalalana manokana sy traikefa eo amin’ny resaka varotra iraisam-pirenena sy ny toekarena indostrialy ary ny fananan’asa izy.

Tonga nanatrika ny lanonana fanendrena ny praiminisitra teny an-dapa ny filohan’ ny Antenimierampirenena sy ireo solombavambahoaka ma­ro avy amin’ny Firai­sankina sy ny mahaleo tena. Marihina fa mbola andrasana ny fanendrena ireo minisitra handrafitra ity governemanta ity.
Iza moa ny praiminisitra Herintsalama?
Araka ny fikarohana na­tao, efa voatendry ho filohan’ny fitaleavana teo anivon’ny Banky BNI Madagasikara ny Praiminisitra vaovao, Rajao­narivelo Herintsalama. Mana­na fifandraisana amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena ny tenany. Efa tomponandraikitra voalohany nitantana ny Fivmpama ihany koa ity le­hiben’ny Governemanta vaovao ity.

Fitia Randria

Partager sur: