FANTINA sy FINTINA

Tokony hisy fankatoavan’ny birao maharitra ny fisavana ny trano fonenany, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena teo aloha, Andriamananoro Augustin, teny Ampitatafika, omaly. Nisy ny fisavana ny trano fonenany noho ny hoe fanahiana fikononkononana fanakorontanana. Aoka ny fanaovana hetraketraka sy valifaty politika.

Tsy manaraka ny zava-misy eto Madagasikara ny Vondrona afrikanina (UA), raha ny fijerin’ny filohan’ny Fizafa, ny depiote teo aloha, Andriamahefa Charles, ny amin’ny fampiatoana an’i Madagasikara amin’izany fikambanana izany. Vao nikorontana ny firenena no tokony ho nitady vahaolana ry zareo fa tsy izao vao miditra amin’ny raharaha.

Tokony ho olona tena mijoro sy afa-mandresy lahatra ny ankolafin-kery rehetra ny mitondra ny governemanta, raha ny fanehoan-kevitry ny jeneraly misotro ronono Rakotomaronirina Alfred. Olona manana ny fahitsiana sy ny fahamarinana, tsy tratran’ny kolikoly na azo vidiana. Raha tsy izany, mbola hisy ihany ny krizy miverimberina.

Partager sur: