“Mondial du pain” andiany faha-10: Sambany hisy Malagasy solontena hifaninana

Mamiratra hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maromaro izay fifaninanana hainahandro nandraisan’ny Malagasy anjara izay, fa voalohany kosa amin’ny “Mondial du pain”.

Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy. Ta­zana nandritra ny lanonam-panokafana sy fampahafantarana ireo firenena hifaninana mandritra ny “Mondial du pain”, omaly, izany, tany Nan­tes, France. Firenena 20 eo no manana solontena amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny hainahandro manodidina ny mofo ity. Sam­bany kosa vao misy malagasy handray anjara, ao anatin’izany. Efa niomana hatry ny ela ireo solontenantsika, izay nanomboka tamin’ny fanomanana ny akora ilaina rehetra, omaly.
Olona telo no mandrafitra ny ekipa iray, araka ny lalàna napetraky ny mpikarakara. Tsy maintsy ahitana “chef boulanger” efa manana traikefa, ampian’ny mpanampy azy ary ny “coach”izany. I Toavina Rainibenalahatra ampian’ny mpanampy azy, i Orlando Botsy Totoashley, ary tohanan’ny coach Toky Rama Andri­an­tsitohaimanantena, no hiady ny voninahi-pirenena, anio sy rahampitso. Teknika, fahaiza-manao, talenta, fahaiza-miaraka anaty ekipa, faharetana, tanjaka ara-batana, sns no masontsivana takina amin’ireo mpifaninana rehetra ireo. Mazava loatra fa ny fanasongadinana ny hainahandro sy ny akora fototra mampiavaka ny firenena niavian’ny tsirairay no ho tombon’ny ekipa. Soa fa efa zatra fifaninanana iraisam-pirenena momba ny mofo sy ny tontolony ny chef Toky Rama Andriantsitohai­manantena, izay mitarika ny ekipa.
Raha tsiahivina, anisan’ny sehatra hisongadinan’ny Ma­la­gasy ny hainahandro, izay mbola mitsinjara karazany maro. Nisongadina, ohatra, i Tsiory Razafinimanana, izay nahazo voalohany tamin’ilay fifaninanana “Le meilleur Pâtissier” tamin’ny taon-dasa. Teo koa ny ekipa notarihin’ny Chef Lalaina, tafakatra tamin’ny laharana ambony nandritra ny “Coupe du monde de traiteur”. Farany teo ny nahazoan’ny Quatre fromages du Comptoir des Hautes Terres medaly maromaro nandritra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fromazy.

Zo ny Aina

Partager sur: