Tsy misy mahazo mivoaka an’i Madagasikara ao anatin’ny telo volana ireo mpiasam-panjakana ambony. Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tombana ary fiarovana ny fananam-bahoaka ny tomponandraikitra.
“Tsy misy intsony ny gaboraraka fa tsy maintsy fitantanana madio sy mangarahara ary manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka. Satria indramina amin’ny vahoaka na ny toerana na ny fitaovana”, hoy ny tenin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly. Efa namoaka fepetra henjana amin’ny tsy fanekena zavatra gaboraraka intsony izy. Na avy amin’iza na iza izay, na mpiasa amin’izao fotoana izao eo anivon’ny fitondrana na izay mbola ho avy… Mihatra amin’ny rehetra ny lalàna, na iza na iza. Rehefa tsy manaraka ny lalàna sy ny fepetra ny fitantanana, tsy maintsy henjehin’ny lalàna.
“Hiasa no alehako eo, fa tsy seza na voninahitra. Ny angatahiko: jereo ny lalan’ilay olona, fa aza tsaraina mialoha”, hoy izy, ny amin’ny fanendrena azy. Aza mitsara olona, fa ny tribonaly sy Andriamanitra an-tampon’ny loha no mitsara. ”Aoka ny asa ataoko no hitsaranareo ahy”, hoy ihany izy. Mba homena fotoana amin’ny fandrafetana governemanta… Mba hamaly ireo tanjona apetraka. Tsy maintsy ho vonona izay olona ho avy eo, fa tsy maintsy hiteny isan-kerinandro: inona no vitany sy ny tsy vitany? Satria raha tsy mahavita ny governemanta, tsy mahavita koa izy Praiminisitra.
Mifandraika amin’izay, nisy ny toromariky ny Praiminisitra, omaly ihany, ny amin’ireo fananam-panjakana. Eo ny fanisana ny fitaovana sy ny fanaka ao anaty birao, ny firaketana an-tsoratra ny birao sy ny fitaovana informatika ary ny antontan-taratasy mbola miandry… Mandra-pahavitan’ny fanaovana fitsirihana eny anivon’ny minisitera, tsy misy tomponandraikitra ambony mahazo mivoaka an’i Madagasikara ao anatin’ny telo volana, raha tsy mahazo alalana avy amin’ny fiadidiana ny Primatiora.
R. Nd.




