Nahitana taolam-paty maromaro tao anatin’ny farihin’Andranomaimbo, fokontany Antsenakely, omaly maraina. Nofonosina tao anaty bodofotsy ireo taolam-balo ary nalatsaka tao anaty rano. Mpanala tsikafona no nahita ny tranga sy niantso tomponandraikitra. Taolan-dava avy amin’y razana telo no hita rehefa nosavaina. Taolam-paty efa misy may ihany koa izany. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny polisim-pirenena nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana.
Vehivavy iray niaraka tamin’ny zazakely, tsy hita popoka hatramin’izao. Monina eny Manjakaray izy io ary niala tao an-trano fonenany ny zoma hariva lasa teo. Voa-laza fa tsy dia salama saina loatra ilay vehivavy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny havany. Miantso ny olom-pirenena ny fianakaviana mba hampilaza ny manam-pahefana raha mahita azy mianaka ireo.
Mpanendaka iray no lavon’ny balan’ny polisin’ ny Sag tetsy Namontana, ny marain’ny alahady 19 oktobra 2025 teo, tokony tamin’ny 01 ora. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana ny tenany. Tratra nanambana sabatra mpivarotra nitondra entana izy io sy ny namany hafa. Nanambana antsy ireo polisy ny iray ka voatery notifirina. Lasa nitsoaka avokoa ireo namany hafa.
Anisan’ny dahalo iray niova fo i Filoha, monina any Imendo Isoanala, disitrikan’i Betroka, raha ny fijoroana vavolombelona nataony. Nanomboka nanao asan-dahalo ny tenany teo amin’ny faha-15 taonany. Efa miara-miasa amin’ny fanjakana izy hamongorana ny asa ratsy amin’izao fotoana izao. Nambarany fa hividianana vehivavy ny vola azo tamin’ny asan-dahalo.




