Haitao Zafimaniry : Hifotorana ny fampitana traikefa amin’ireo taranaka

Tsy mampiavaka ny Zafimaniry irery, fa hahafantarana an’i Madagasikara maneran-tany ny haitao vitany. Misedra olana maro ka mahavitsy ny mpanao asa tanana mifototra aminy ity seha-pihariana sady fanandrantana fahaiza-manao sy kolontsaina manokana ity.

Inona ny tokony hatao mba tsy ho tapitra eo amin’ireo mpiangaly azy amin’izao fotoana ny haitao Zafimaniry ? Ny famaliana izay fanontaniana izay no tena niompanan’ny fikaondoha natao tany Am­bositra, ny alatsinainy 20 oktobra ary nifarana omaly 21 oktobra. 50 mahery ireo nandray anjara tamin’ny atrikasa, nahitana ireo mpanao asa tanana, mpampianatra sy mpanabe ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Araka izany, nifototra indrindra tamin’ ny fampitana ny traikefan’ireo mpanao asa tanana amin’izao fotoana, ho an’ny taranaka ny tena nikaonan-doha.
Valin-teny tokana no niraisan’ny maro : ny fanabeazana. Any amin’ny fototra mihitsy no atsofoka ny fampahafantarana sy ny fizarana traikefa manodidina ny haitao Zafimaniry. «Tokony ho toerana fampitana ny vakoka sy soatoavina ny sekoly, hampitiavana sahady ireo ankizy an’ity mampisongadina indrindra anay ity», hoy ny ben’ny Tanànan’Ambohimitombo, nan­dri­tra izany. Voaresaka amin’ ny fanatontosana izany ny fananganana sekoly sady fianarana asa tanana any amin’ireo faritra voakasika. Eo koa ny fampidirana ny haitao any amin’ireo fandaharam-pampianarana, ny fanentanana ireo ankizy amin’ny fiarovana ny ala,sns.
Fototra iaingana amin’ny paikady fiarovana vaovao ireo, hanoritana ny tondrojotra 2026-2030, izay hifototra amin’ny fampitana traikefa, fitantanana maharitra ny ala, ny fananganana otri-bola any ifotony ary ny fampiakarana ny lanja ara-piharian’ny haitao Zafimaniry. Tsiahivina fa tafiditra ho isan’ny harembakoka tsy azo tsapain-tanana iraisan’ ny zanak’Olombelona ny haitao Zafimaniry, araka ny nambaran’ny Unesco ny taona 2008. Vokatry ny fiarahamiasa eo amin’ny komity nasionaly malagasy ho an’ny Unesco, ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ny minisiteran’ny Fanabeaazam-pirenena, ny fikambanan’ireo mpanao asa tanana ZAfimaniry ary ireo manam-pahefana any an-toerana no nahafaha-nanatontosa ny fikaonandoha mankany amin’ny fanatsarana ny fampitana ny kolontsaina Zafimaniry.

Zo ny Aina

Partager sur: