«Hanao ny dingana rehetra izahay handavorariana ny hamerenan-kasina ny firenena sy ny eto Analamanga. Hodiovina sy esorina ny tsy mety. Alana ny faditra mba hiverenan’ny hasina sy hivelaran’ny fiainana ho an’ny taranaka fara aman-dimby», hoy ny avy amin’ny Vovonan’ny taranak’ andriana sy ny mpandala sy mpitana ny fomban-drazana, tetsy Maroho. Nohitsiny izy ireo fa be loatra ny fametavetana sy ny fanotana fady ny vohitra masina, ny razan’andriana. Anisan’izany ny famindrana ny razana masina avy eny Ambohimanga nankeny amin’ny rova. Ny fandorana ny rova sy ny nanapahana ireo amontana manodidina teny. Teo koa ny nananganana ny «Colisèe» sy ny trano fivoahana fanaovana maloto ao an-drova. Manampy izany ny nanovana ny anarana ny rova sy ny kianjan’i Mahamasina… Antony hanaovana ny fanarenana ny hasina izany mba hampivoarana ny firenena, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Synèse R.




