Mila mahay maka lesona

 

Nahavariana ny besinimaro ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, omaly. Andaniny, nisomebiseby tamin’ny fandraisana fahefana ny Praiminisitra, teny Mahazoarivo. Toraka izany, nihidy aman-trano teny an-dapa ny mpitondra sy ny iraky ny Sadc. Ankilany anefa, nanaitra ny fahitan’ny olona miaramila iray, manamboninahitra jeneraly, teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Voalaza fa mpanohitra fanjakana vao nijoro tao anatin’ny herinandro izy.
Mifono zava-dalina izany rehetra izany raha mahay mamakafaka ny fivoaran’ny toe-javamisy, ankehitriny. Raha ny tolona voalohany, izay nahatafapetraka ny fitondrana entina miaramila dia efa baraingo sy mampandini-tena. Fohy ny fotoana, toa mora loatra ny nahazoana ilay seza. Avy eo anefa, tsy maneno akory ny akoho, efa nivadi-dela sy niverin-dalana koa ry zalahy nahazo ilay fahefana.
Mivoaka miditra toa lelon-jaza ilay fandehan-draharaha, ka izay tsy mahay eto no ho kofona sy ho sempotra. Tsy mahagaga ny zava-nitranga omaly. Mbola misy ary maro ireo manantena ny hahita izany fanovana tena izy izany. Hatreto anefa aloha, efa samy tafajoboka sy tafajabaka avokoa. Atao ahoana ny hivadi-belirano sahady tamin-javatra nirina? Tonga amin’ny fialan’ny filoha aloha dia samy miforitra anaty eo!
Aiza ho aiza izany ny fitakiana fototra? Jiro e! Rano e! Ady amin’ny kolikoly. Ity aza vao manomboka dia efa masison’ny fofom-bola. Misy ny milaza fa 28 lavitrisa hono takalon’ny fanendrena Praiminisitra, 28 lavitrisa hono hamonoana ny Kly Mickael. Midika izany fa misy raha tsy mazavazava tokoa anie any ambadiky ny ridao any. Tsy natao ho an’ny marivo salosana na ny fanatika ilay politika.
Raha zohina ny fandehan-draharaha, mila mitandrina sy mahay maka lesona fotsiny ny olon-drehetra!

r.r

Partager sur: