TSELATRA

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona hita narary tsy nahatsiaro tena teny Ivato, omaly. Nokarakarain’ny Kaominina Ivato, tamin’ny alalan’ny Departemanta Sosialy ny fitondrana azy teny amin’ny Hopitaly manara-penintra Anosiala. Noraisin’ny CSB II an-tanana ny vonjy aina natao taminy. Tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Ampandrenesina ihany koa ny fianakaviany hijery azy.
Nirefodrefotra ny basy tetsy Tangaina Ampitatafika, ny alin’ny alarobia tamin’y 11 ora. Jiolahy am-polony no nikasa handroba sy hanafika tokantranon’olona iray. Tsy tafiditra tao an-trano izy ireo noho ny hamafin’ny hidin-trano avy any anatiny. Nitifitra intelo ireo olon-dratsy. Olona mianaka no naratra nandalovan’ny bala teo amin’ny tratrany ary efa nentina nihazo ny hopitaly. Tsy nahazo na inona na inona ary tafatsoaka tamin’ny fiara ireo jiolahy na dia niezaka nanenjika aza ireo fokonolona.
Tovolahy iray 19 taona maty an-drano tao amin’ny farihin’Ankadimanga, disitrikan’i Manjakandriana, omaly maraina. Toy ireny nentin-javatra ireny izy io ary nihazakazaka nankao anaty rano. Niezaka nandrara sy nitazona azy ny fianakaviana saingy nirifatra ihany izy. Niezaka namonjy azy ny mponina sy ny mpahay rano saingy tsy tana ny ainy. Mponina ao an-toerana io tovolahy io ary mahalala ny fomba sy ny fady amin’ilay farihy.

Partager sur: