Tsy hotanterahina amin’ny alahady izao indray. Hahemotra amin’ny fotoana tsy voafetra ny fifidianana filoham-pokontany eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny prefet Antananarivo.
Tsy raikitra amin’ny alahady izao ny fifidianana filoham-pokontany eto Antananarivo, araka ny baikon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany. “Ny antony tena nahatonga anay nandray ilay fepetra, betsaka ireo mimenomenona. Betsaka koa ireo fokontany tsy avelany hiasa ny lehibem-pokontany”, hoy ny fanazavan’ny prefet Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’izany. Tsy ny taratasy fanamarinam-ponenana ihany no avoakan’ny fokontany. Eo koa ny fanamarinam-pahavelomana ho an’ireo mandray fisotroan-dronono. Izany no mahatonga ny hoe: tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifidianana filoham-pokontany. Izay aloha no baiko dia arahina ny fanemorana. Toy ny hoe maika loatra ny fieritreretan-dry zareo ao amin’ny Atitany azy hoe hatao amin’ny alahady. Nefa ny fiomanana rehetra efa vonona ny eo anivon’ny prefektiora. Raha ny rijan-teny, vao miova ny ben’ny Tanàna, mifarana ny fe-potoam-piasan’ny lehibem-pokontany. Na izany aza, tsy maintsy atao izay fifidianana filoham-pokontany izay.
Hatramin’izay, tsy latsa-bato miafina ny fifidianana filoham-pokontany, fa tsangan-tanana amin’ny fivoriambem-pokonolona. Nefa mety misy fiantraikany izay amin’izao toe-draharaha izao. Mety misy ny valifaty amin’izay tsy mifidy… Ampahibemaso ny tsangan-tanana, ka fantatr’izay tsy lany izay tsy nifidy azy. Nefa mila vola koa raha atao latsa-bato miafina. Andrasana àry ny torolalana avy amin’ny minisiteran’ny Atitany.
Etsy andaniny, tapaky ny fihaonan’ny prefet sy ireo depiote koa fa ahemotra aloha izay fifidianana izay. Mandra-panolotry ny depiote tolo-dalàna momba izany. Hisy ny fanendrena lehibem-pokontany vaovao.
R. Nd.




