Aleo hifanatrehana

 

Hanao ahoana ihany ny fiainam-pirenena? Indrindra ny fiainam-bahoaka… Tsy mety tena misy ary maharitra izay fahamarinan-toerana politika. Nahoana? Ambaran’ny mpandinika sasany fa anisan’ny fototra sy fositra ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy mety ho kolontsaina ny fanajana sy fampiharana lalàna. Saika mibahan-toerana na mahazo laka ho azy mandrakariva ny fanaovan’ny sasany hitsin-dalana. Politika no antony? Miara-dalana amin’izany ny fisian’ny kiantranoantrano, tsimatimanota… Voalohany sy lehibe amin’izany ny tsy fisiana sy fampiharana sazy. Na amin’ny fanonganana mpitondra toy ny eny anivon’ny fokontany sasany amin’izao, ohatra… Anamarinan-tena mandrakariva ny hoe antony politika. Dia tsy iharan’ny sazy ny mpanao politika… Ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mandrakariva no saro-piaro amin’izany ka mampitandrina, manery, manasazy… ?
Nefa mbola politika koa izay, fa tsy ho amin’ny tombontsoan’ny tena: ndrao miitatra na fakan-tahaka any amin’ny firenen-kafa, ohatra, ny raharaha? Na tombontsoa hatrany no manetsika sy mibaiko… Ny tsy fisiana na tsy fampiharana sazy no mahatonga ny sasany hanaotao foana na sahisahy ratsy hatrany: lehibe tsy meloka. Na mpanao politika tsimatimanota… Lazaina ho politika ny fampiharan-dalàna sy fanasaziana? Indraindray, ny lalàna no tsy ampy na sarotra ampiharina. Mila fanarenana… Izay no mampitabataba lava ny sasany amin’ny hoe fanorenana ifotony. Fotoana izao? Aleo hifanatrehana!
Mba tsy ho resaka fotsiny na tenenina isaky ny mihetsika ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana, tsy zakan’ny firenena sy ny vahoaka intsony ny krizy… Misy mandrakariva ny tsimatimanota? Nefa tsy aiza ny vano mitsaingoka ny sahona fa ao ihany, na ny takatra mihinana ny valala.

R. Nd.

Partager sur: