Praiminisitra sy ny masoivoho frantsay: Manohana ny tetikasan’ny governemanta i Frantsa

Manohana ny fitondram-panjakana. Nitsidika ny Prai­minisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herin­tsa­lama Andriamasy, teny amin’ny Lapam-panjakana Ma­hazoarivo, omaly, ny ma­soivohon’i Frantsa, Arnaud Guillois. Teo koa ireo delegasionina notarihiny. Nosori­tan’ny Praiminisitra tamin’izao fifanakalozan-kevitra izao ireo lalantsaina sy vina hampanjariana ny fanavaozana sy ny fanarenana ny firenena. Ni­fantohana tanteraka ireo dingana ho atao mba hisitrahan’ny Malagasy rano fisotro madio sy ny herinaratra. Eo koa ny sehatry ny fampianarana sy ny fiofanana samihafa. Manampy izany ny ezaka iombonana hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Hisy, araka izany, ny tolokevitra vaovao iarahan’ny roa tonta mijery ato ao anatin’ny fohy ezaka, hotanterahina amin’ny herinandro ho avy io. « Natao hamaliana haingana ny hetahetan’ny vahoaka sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny tanora », hoy izy.
Nanamafy ny fahavononany hiara-miasa hatrany amin’i Madagasikara kosa ny masoivohon’i Frantsa. Nambarany fa manana finiavana lehibe izy ireo hanohana ny tetikasa vaovao entin’ny governemanta ankehitriny. « Ho amin’ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy ary eo amin’ny sehatry ny fitantanana izany », hoy izy. Notsin­driny manokana koa fa mijoro hatrany ho mpiara-dia akaiky amin’i Madagasikara i Frantsa amin’izao dingana vaovao ara-politika sy ara-pitantanana eto amin’ny firenena izao.
Nambarany ny tokony ho fandraisan’anjara feno ataon’ny sivily amin’ny dingana misy ankehitriny ary ny fikarakarana fifidianana ao anaty fe-potoana voahevitra.

Synèse R.

Partager sur: