Hisy ny fihaonan’ny zanak’i Menabe eto Antananarivo, hotontosaina rahampitso, eny amin’ny Villa Kalotody Andohanimandroseza, izay haka endrika lanonana sy fiaraha-misakafo. Hanafana ny fotoana ry Sylange Kilalaky, Thybaut ary Bekasety. Eo koa ny DJ Frunk, hanohy amin’ny fampandihizana. Maimaimpoana ary hanasan’ny fikambanana ireo zanak’i Menabe rehetra izany.
Iraimbilanja, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Taorian’ny tarika Jeneraly, tamin’ny heriny, hotohizan-dry Batata sy ny tariny indray ny «cabaret» ao amin’ity toerana ity, anio, manomboka amin’ny 9 ora alina. Fotoana hamerenan’ny tarika ireo hirany tsy lefy laza hatrizay, izay hanakaikezany kokoa ireo mpankafy hanatrika izany. Miverina tsimoramora eo ny fialamboly amin’ny alina.
« Tafitraotry South East Urban Show » , eny amin’ny Jao’s pub Ambohipo. Anio, amin’ny 9 ora alina, ity fiarahan’i Mashmanjaka sy i Shekba an-tsehatra ity. Hanehoan’izy ireo ny mozika an-tanàn-dehibe, avy any amin’ny ilay atsimo atsinanan’ny Nosy. Mozika misy fototra malagasy, saingy mivelatra ihany koa amin’izao tontolo izao. Mitondra hafatra mafonja, araka ny efa nahafantarana an’i Mashamanjaka hatramin’izay.




