HCC, Irmar, Ravalomanana…: Nanadihady ireo ankolafin-kery rehetra ny Sadc

Anisan’ireo nihaona tamin’ireo delegasionin’ny Sadc mandalo eto amintsika ny eo anivon’ny HCC. Nivoitra tamin’ny fihaonana, tetsy Ambo­hidahy, ny resaka manodidina ny Lalàmpanorenana. « Vaha­o­lana namahana ny krizy teto amin’ny firenena ny HCC. Tafiditra ao anatin’ny Lalàm­panorenana avokoa ary voahaja ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisina », hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Florent, na­mintina ny dinika, tetsy Ambo­hidahy. Nanambara kosa ireo eo anivon’ny Sadc fa tsy tonga hitsara ny toe-draharaham-pirenena izy ireo. « Manao tombana sy mijery ifotony ny tranga niseho teto izahay ary hanao tatitra izany any amin’ny foiben’ny Sadc », hoy izy ireo.
Anisan’ny nandray ireo delegasionin’ny Sadc teny Faravohitra ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Niatrika izany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Troika. Nambaran’ny filoha nasio­nalin’ny Tim ny tranga teto amin’ny firenena. Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fakan-kevitra tanterahin’ny Sadc izao fihaonana izao. Tahaka izany koa ireo eo anivon’ny mpomba ny fitondrana, nahitana ireo depiote sy minisitra Irmar. Nandray ireto delegasionina ireto teny amin’ny Arena Ivan­dry izy ireo, omaly.
Hitohy anio, amin’ny fandraisan’ny FFKM azy ireo, eny Andohalo, izao dian’izy ireo izao. Ny fihaonana amin’ny Gen Z sy ny Tafika ary ireo ma­soivoho vahiny eto amintsika.
Tsiahivina fa mitarika azy ireo ny sekretera voalohany misahana ny lafiny lalàna sady minisitry ny Raharaham-bahiny avy any Malawi. Mio­mpana amin’ny lafiny teknika izao iraka tanterahin’izy ireo izao hanamarinana ny zava-nisy teto. Niainga tamin’ny fanapahan-kevitry ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoanan’ny Troïka, eo anivon’ny Sadc, ny 16 oktobra teo izao iraka izao.

Synèse R.

Partager sur: